Sosialy

Alasora Avaradrano Zokiolona 1051 nozaraina fanampiana omaly


  • Zoma 24 Jona 2022

Taorian’ireo mpanala fanadinana CEPE dia tsy nanadino ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Nozaraina fotsimbary 3 kg isanisany izy ireo omaly ho fanampiana azy noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra. Miisa 1.051 ireo nahazo tombontsoa tamin’izany, avy amin’ny Fokontany 20 isa, fizarana natao tamin’ireo sita miisa 6. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy, dia hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona ny tahaka izao. Teti-bola madiodion’ny kaominina hatrany no nanaovana izany, ho fitsinjovana ny mpiara-belona. Mbola hitohy rahampitso Sabotsy 25 Jona moa ny fankalazana ny fetim-pirenena ho an’ny kaominina Alasora. Hosantarina amin’ny rindran-kira ara-pilazantsara hotanterahina eny Ankadindratombo izany ny folakandro. Ho avy hanafana ny lanonana ireo mpanankato malaza toa an’i Fara Church, Antsan’i Kristy hotronin’ireo antoko mpihira ao anatin’ny kaominina. Hitohy amin’ny fampisehoana goavambe handraisan’ireo artista malaza anjara ny lanonana, ahitana an’i Ariane Joy, Marion, ary Wada & Yooungs. Amin’ny 07 ora sy sasany kosa no hotontosaina ny fandefasana ny afomanga, ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra. Miantso ny tanoran’Alasora mba tsy hihoam-pefy araka izany ny Ben’ny tanàna fa hanao fety amim-pilaminana sy amim-pifaliana tanteraka hisorohana ny olana mety hitranga.
Pati
Legende : Nahazo fanampiana tahaka izao avokoa ny rehetra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT