Sosialy

Alaotra Mangoro Mpamboly vary 4 000 mihitsoka any amin’ny faritra hafa


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Ao anatin` ny fihibohana tanteraka Aloatra Mangoro noho ny fisian` ny aretina Covid-19 ao amin` ity faritra ity.

 

  Fantatra amin` ny fambolena vary ity faritra ity ary misy amin` ireo mpamboly ireo no manao asa any amin`ny faritra hafa. Manodidina ny 4 000 izy ireo no mihitsoka any amin’izay toerana misy azy avokoa raha tokony hampiaka-bokatra any Alaotra amin’izao fotoana izao, hoy ny tatitry ny solombavambahoaka any an-toerana. Mangataka ny hampodiana azy ireo ao Alaotra mangoro araka izany ity solombavambahoaka iray ity amin’izao fotoana izao, hahafahan’izy ireo mamonjy ny toeram-pihaviany sy hahafahany miasa any an-toerana. Fantatra mantsy fa natsahatra noho ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus ny fanomezana alalana manokana na autorisation hahafahana mivezivezy mankany na mivoaka any an-toerana amin’izao fotoana izao. Afaka herinandro anefa, no hifarana sy ho tapitra tanteraka ny asa momba ny vary any an-toerana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT