Sosialy

Alaotra Mangoro Miaramila iray matin’ny tazomoka


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Miaramila iray no nodimandry vokatry ny tazomoka mahery nahazo azy tany Ambatondrazaka omaly maraina. Miasa amin’ny barazy na ny sakana ao Ranofotsy amin’iny làlam-pirenena faha-44 iny izy io.

 

 

 

 

 Ny alahady teo no efa nanantona mpitsabo. Noho ny adidy amin’ny sakana dia mbola namonjy an’i Ranofotsy. Ny alahady teo izy no voamarina fa voan’ny tazomoka. Noho ny asa sy ny fanatanterahana ny baiko miaramila dia tsy nahandry ny fotoana namoahana ny fanafody tazo. Nihombo ny aretina, ka nentina avy hatrany tao amin’ny Hopitalibe Ambatondrazaka. Efa tsy nahatsiaro tena no noraisin’ny hopitalibe tao Ambatondrazaka, saingy tsy tana ny ainy. Efa nentina any Ambohitsilaozana omaly ihany ny razana. Vao tapa-bolana teo izay no nisiana tovolahy iray mpandidy vary matin’ny tazomoka ihany koa tany amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT