Sosialy

Alakamisy Fenoarivo Raikitra ny tsenabe


  • Talata 18 Jolay 2023

Rindra Raikitra ny tsenabe Rindra ao anatin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano.

Hanomboka ny 24 jolay ho avy izao haharitra efatra andro no hanatanterahana izany ao amin’ny tsenan’Alakamisy izay manana tanjona hanatsara sy hampiakatra ny fidiram-bolan’ireo tantsaha mpamokatra. Raha araka ny fanazavana azo dia hifanindry an-dalana amin’ny fankalazana ny faha-20 taona nitondran’ny Ben’ny tanàna Boni ny kaominina izany ka haseho sy hampahafantarina ny mponina ny ezaka vita mba tsy ho tompon-trano mihono ny rehetra. Hisy mandritra ireo efatra andro ireo ny fivarotana ireo karazam-bokatra mampahalaza iny faritra iny toy ny vary….Toraka izany ihany koa ny biby fiompy toy ny kisoa, ny omby…Ny 90%-n’ireo mponina ao anatin’ity kaominina ity moa raha tsiahivina dia mbola tantsaha mpamokatra avokoa izay mamatsy an’Antananarivo.
Pati
Legende : Natao hanatsarana ny vola miditra amin’ireo tantsaha ny tsenabe Rindra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT