Sosialy

Alain Ratsimbazafy “Misy tambazotra manodina ireo fanampiana ho an’ny vahoaka”


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Manomboka tsy mahazaka ny fihibohana ny vahoaka satria tsy ampy azy ireo ny enti-manana hiatrehana izany, hoy ny depiote voafidy teny amin’ny distrikan’Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy.

 

 

 

 

 Te hanaja ny fitsipika izy ireo saingy ny hanina anio tadiaviny anio. Eo no angatahana indrindra ny fitondram-panjakana mba hanao ny mangarahara amin’ny fitantanana ny fanampiana ny vahoaka. Miainga amin’ny fahafantarana hoe ohatrinona marina no natokana ho an’izay sosialim-bahoaka izay. Manao ahoana avy ny fanampiana tokony ho azon’ny isan-tokantrano mba hahafahanay manara-maso azy ety an-toerana, hoy hatrany ity depiote ity, satria anjara asanay solombavambahoaka izany. Somary misy ny fanavakavahana sy fanaovana zanak’ikalahafa raha ny tsikaritra hatreto matoa misy olona marobe tsy misitraka ilay fanampiana. Ilaina ny fanatsarana ny komitin’ny loharano. Aoka hangarahara ny fitsinjarana mba tsy hisian’ny fimenomenomana. Vary milanja 2 taonina no hita anaty tokantrano 1 ny zoma teo. Miampy savony sy menaka. Rehefa natao moa ny fanadihadiana dia ny marainan’io no nanomboka tsy nitsahatra nitatitra vary ny teo anivon’io tokantrano io. Raha ny loharanom-baovao azo dia namidy teny amin’ny fiarahamonina isan-karazany teny tamin’ny vidiny 70.000 ariary ny vary ary 3000 ariary ny menaka. Nahataitra ny manodidina izany ka nahatonga ny fidinana ifotony. Araka ny vaovao heno koa dia misy olona avy any amin’ny kaominin’Ambohijanaka no nakana ny entana. Izany hoe efa misy tambazotra mihitsy manodina ireny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ireny ka hanaovana antsoavo amin’ny tomponandraikitra ny amin’ny fanaovana fanadihadiana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT