Sosialy

Akora fototra fibre végétale Hitady lalam-barotra ivelany ireo vehivavy mpandraharaha


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Anisan'ny akora fototra hitadiavan'ny fitondram-panjakana vahaolana ny mikasika ny fibre végétale. Hatreto mantsy dia mbola akora tsy voahodina izy ireny no haondrana any ivelany nefa tokony hamorona asa ho an'ny mpiray

tanindrazana ary ho afaka hamelona ankohonana maro. Nahita hevitra mikasika izany ireo vehivavy mpandraharaha mivondrona ao amin'ny « Entreprendre au feminin de l'ocean indien » na ny EFOI. Fantatra ary fa hikarakara hetsika goavambe mifandraika amin'izany any Nosy be izy ireo ny 25 ka hatramin'ny 28 Aogositra ho avy izao. Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala dia efa andiany faharoa ity hetsika ity . Tanjona ny hahafahana mitady vahaolana mikasika ity akora fototra fibre vegetale ity no sady hanofanana ireo mpandraharaha malagasy misehatra amin'izany ihany koa. Ankoatra izay dia hanatanteraka hetsika any Toamasina koa ny EFOI amin'io daty voalaza etsy ambony io ihany. Salon du business indray no anarana nampitondraina ity hetsika ity. Natao hitadiavana lalam-barotra, hanampiana ireo mpandraharaha madinika sy salantsakany no tanjona arahina fanomezana fiofanana ihany koa. Ho avy handray anjara amin'io salon io ireo mpanohana ara-bola toy ny smec, ireo karazana banky mpampihindram-bola madinika....Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireon izay liana amin'izany raha miisa 200 kosa ireo mpandray anjara andrasana ao anatin'ireo hetsika roa ireo.
Pati
Legende : Ireo mpikarakara ny hetsika nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT