Sosialy

Akon’ny fetin’ny noely 105 narary, 2 namoy ny ainy teny amin’ny HJRA


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Nihena ho 105 ireo olona narary sy naratra tonga noraisina an-tanana tetsy amin'ny sampana vonjy taitra hopitaly HJRA Ampefiloha nandritra ny alin'ny 24 desambra teo sy omaly Alarobia andron'ny Krismasy raha nahatratra 135 tamin'ny taon-dasa.

Roa tamin' ireo no fantatra fa namoy ny ainy ka ny 92 tamin'ireo 103 ambiny kosa no nalefa nody avy hatrany raha vantany vao nahazo ny fotsaboana sahaza azy. Resaka ady madinika sy lozam-piarakodia no tena maro tamin’ireo naratra. 32 tamin’ireo notazonina  ao amin’ny hopitaly noho ny ratra mafy nahazo azy ireo ary ny ambiny kosa efa nalefa nody. 6 kosa ireo tratry ny fanapoizinana tamin’ny menaka, ny 25 desambra, izay tsaboina ao amin’ny Reamed, omaly folakandro Tamin'ny ankapobeny raha araka ny fanazavan'ny dokotera Raveloson Yves, lehiben'ny ekipa niasa tao amin'ny sampana vonjy taitra omaly dia loza vokatry ny fifamonoana sy lozam- pifamoivoizana avokoa no antony nandratra ireo olona miisa 103 ireo ankoatra mpitranga eny an-dalambe sy any an-trano. Somary niova kely moa ny fandraisana an- tanana ireo marary tonga nanatona ity hopitaly iray ity tamin'ity fetin'ny Krismasy taona 2019 ity noho ny toromarika nomen'ny Minsteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Anisan'ireny ny fandraisana naoty ny aretina mahazo ny marary, ny momba momba azy ary ny fitsaboana natao taminy hisorohana ny mety hisian'ny fitarainana diso hataon'ny marary.

Pati sy Sitraka r.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT