Sosialy

Akoho amam-borona Mbola vitsy mpaka na dia nihena aza ny vidiny


  • Talata 25 Jona 2019

Anisan’ny fety tena manan-danja ho an’ny Malagasy ny 26 jona izay hankalazaintsika afaka rahampitso.

 

 Ankoatra ny arendrina sy ireo kojakoja maro samihafa ilaina amin’izany dia tsy adinoina ny akoho amam-borona izay efa hita mirantiranty manerana ny tsena eto Antananarivo. Mbola maina ny tsena, raha araka fanadihadiana natao tamina mpivarotra iray tetsy Isotry. Tsy niakatra anefa ny vidim-borona fa nitovy tamin’ny fankalazana ny fetin’ny paska sy pentekosta teo ihany. Nahitana  fihenany aza satria lasa 50.000 Ar  latsaka ny vorontsiloza vavy sy ny gisa, 20.000 Ar ny gana raha 15.000 Ar  ny akoho.  Hanomboka anio talata 25 jona vao manantena ny ho tsara tsena ireo mpivarotra raha tsy misy ny sampona. Tsy ny vorona irery fa na ny hena aza dia mitaraina ihany koa ireo mpivarotra fa zara raha mahalafo.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT