Sosialy

Akany hitaizana tanora eny Ambohidanierana Natao hahazaka olona hatramin’ny 300 isa


  • Talata 12 Oktobra 2021

Miantso ireo zanaka am-pielezan’Ambohidanierana rehetra manoloana ny ezaka fananganana akany ataon’izy ireo eny Ambohidahy Avaradrano ny filohan’ny tanora Kristianina eny an-toerana

, Ralaiarimanana, mba ho tonga maro eny Anosiavaratra hijery ny fandrosoan’ny asa. Hitaizana ny tanora ny akany izay hatsangana ary an-dalam-panafoana izany izao isika, hoy izy. Ny zanaka am-pielezan’Ambohidanierana rehetra dia natao hisitraka izany akany izany avokoa. Natao hahazaka olona hatramin’ny 300 isa ity akany izay manana lavany 40 metatra sy sakany 20 metatra ity. Miantso ny fifanohanana eo amintsika samy zanaka am-pielezana, hoy hatrany ny tenany, fa sady hiala voly sy hanome voninahitra an’Andriamanitra isika no hanao asa fanompoana ihany koa. Ny antoko mpihira zanaka am-pielezana ihany koa dia ny Taratry ny mazava ihany no hanafana ny fotoana, hoy izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT