Sosialy

AKANY HERIZO Mitsinjo ny zaza Malagasy


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

30,26%n` ny ankizy Malagasy ihany no tafiditra an-tsekoly. 60% amin`izy ireo kosa no misitraka ny sekolim-panjakana. Maro ny antony mahatonga ny sakana tsy hahafahan` ny ankizy mihazo sekoly.

 

 

 

 Voalohany ny fahasahiranan` ny ray aman-dreny. Eo koa ny fahalaviran` ny sekoly miala amin`ny trano fonenana. Mbola vesatra ho an`ny ray aman-dreny ihany koa ny fanohanana ireo mpampianatra Fram tsy hanefana vola, ny fitaovana ho an`ny mpianatra. Iray amin`ireo akany afaka mandray an-tanana ny zaza tsy tafiditra mianatra an-tsekoly noho ny fahasahiranan` ny ray aman-dreniny ny Akany Herizo Talata iary Sandrandahy. Marihana fa natsangana ity akany ity ho fahatsiarovana an`Itpkl Herizo Rakotozafy, zanak` ny filohan` ny Antenimieram-pirenena, Chrisitine Razanamahasoa, izay nodimandry ny 19 septambra 2018. Ny vady navelany, Rakotozafy Hasina Ethiena, no mitantana izany ankehitriny, izay notokanana ny 17 oktobra lasa teo. Ireo olona marefo anaty fiarahamonina no tena iharan` ny tsy fahaizana manoratra sy mamaky teny ary mikajy. Rariny sy hitsiny raha toa ka mahatsiaro sy manatona an`ity akany ity izy ireo. Tsara no manamarika fa ao anatin` ny vinan` ny fitondram-panjakana rahateo ny fampidirana ny ankizy rehetra any an-tsekoly. Ny akany fibeazana ihany koa dia ao anatin` ny paikady fampiharana ny teti-pivoarana ho an` ny fanabeazana. Marihana hatrany fa maro ireo mpiara-miombon`antoka miara-miasa akaiky amin`ity akany ity ary tsy mifandray amina resaka politika na dia filohana andrimpanjakana aza no miahy ny akany. Mbola manaporofo hatrany ny fitsinjovana ny rehetra fa indrindra ireo ankizy Malagasy ny fananganana fotodrafitrasa tahak'izao ary tombony lehibe mihitsy ho an`ny taranaka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT