Sosialy

Akany Avoko Ambohidratrimo 25 taona nitantana azy ny tale Andriandanja Nina


  • Alakamisy 17 Oktobra 2019

Feno 25 taona ny nitantanan’ny tale Andriandanja Lalasoa Maminirina na i Nina ny Akany Avoko Ambohidratrimo. Akany fanarenana


nandraisana ny zaza tsy ampy taona voafonja izy tany aloha nefa voavadika ho akany fanabeazana ireo ankizy tandindomin-doza ankehitriny. Ny fitsarana ihany no mandefa ny ankizy ao. Misy niharan’ny herisetra isan-karazany, kamboty tsy misy mpiahy na narian’olona, ankoatra ireo ankizy tsy ampy taona voaheloky ny fitsarana. Nisedra olana ara-bola hatramin’ny  nampiatoan'ny fanjakana ny sara-pandraisana anjara ankizy 1000ar isam-bolana nanomboka ny 2001 nefa tafarin'ny tale ka mahazaka tena
70% ankehitriny. Assistantes sociales roa avy any Soisa izay niasa
tanaty fonja malagasy no nangataka toerana hanorenana akany
hametrahana ireo zaza tsy ampy taona aty ivelan’ny fonja
tamin’ny alalan’ny fiangonana LMS. An'ny FFPM ny toerana ka nisy
fotoam-pivavahana notarihin'ny filoha FFPM, Pr Irako Ami tamin’ny
alahady ho fanokafana. Efa 55 taona no nisian'ny akany ary namoaka
olom-banona maro izay efa lasa mpandraharaha eto an-toerana sy any
ivelany, mpiasam-panjakana ambony izay tsy manadino fa manampy ny akany ihany koa rehefa tafavoaka. 45 ny ankizy notaizaina tamin’ny nandraisan’i Nina ny akany tamin’ny  13 oktobra 1994. Lasa fitaizana ankizy tsy ampy taona tandindomin-doza (iharan’ny herisetra
isan-karazany na narian’ny olona) ny akany ho fiarovana azy  ka 150 no ao ankehitriny. Misy zaza vao teraka hatramin’ny 18 taona. Anofana trano ireo mihoatra ny 18 taona ary iantohana manontolo mandra-pizakany tena raha mbola mianatra (9 amin’ny ovniversite).
Iantohana koa raha voavaha ny olany ka mody any amin’ny ray aman-dreniny (130 no isany).

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT