Sosialy

Akanjo mafana Niakatra 5% ny vidiny eny an-tsena


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Efa saika manomana vola hatokana hividianana akanjo mafana avokoa ny isan-tokantrano amin’izao hiatrehana ny vani-potoanan’ny ririnina.

Samy manana ny vidiny avokoa izy ireny amin’ny ankapobeny saingy ny tsikaritra dia niakatra 5% ny vidiny raha oharina tamin’ny taon-dasa, indrindra fa ho an’ireo vaovao. Ho an’ny blouson natokana ho an’ny lehilahy ohatra raha 60.000 Ar ny iray amin’ireo mba tsaratsara kalitao tamin’ny taona 2023 dia lasa 67.000 Ar ankehitriny. ..Nahitaka fiakarany tahaka izany ihany koa ny pataloha jean izay lasa 50.000 Ar ihany koa ny iray ho an’ny lehilahy raha mbola nahazo 40.000 Ar tamin’ny taon-dasa. Raha araka ny nambaran’ireo mpivarotra dia hatrany am-potony fakana ny entana mihitsy no nampiakatra izany raha teo ihany koa ireo karazana olana maro samihafa nampihitsoka ny entana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina….Mbola azo hiorirana kosa anefa ireo pataloha na akanjo mafana friperie izany hoe : ireo efa avy nampiasaina tany ivelany. Manomboka amin’ny 7.000 Ar mantsy dia efa mahazo akanjo ba mafana iray ho an’ny olon-dehibe raha 5.000 Ar ny an’ny ankizy. Mitobaka be rahateo izy ireny eny an-tsena no sady maro azo hisafidianana. Na izany aza dia nanambara ireo mpivarotra fa mbola tsy tena mahafa-po ny tsena. Ireo mpanontany no betsaka indrindra fa ho an’ireo mivarotra kanjo vaovao.

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT