Sosialy

Akanjo mafana Manomboka hifandrombahana eny an-tsena…


  • Zoma 25 Mey 2018

Raha somary mbola nangingina teo aloha teo ny tsenan’ireo mpivarotra akanjo mafana eto amintsika dia efa mandeha tsara ankehitriny.

Hatramin’ny faran’ny herinandro teo izay nampahazo vahana ny hatsiaka teto an-drenivohitra mantsy dia nifandrombahana ny akanjo mafana teny an-tsena  izay marihina fa somary niakatra ihany koa ny vidiny. Ho an’ny akanjobà manokana, raha mbola nahazo ny 5.000 Ar teo aloha dia efa niakatra ho 10.000 Ar ny tombany amin’izao ho an’ireo karazany efa nanaovana na ny friperie. Niakatra ho 5.000 Ar ihany koa ny an’ny ankizy raha mbola nahazo iray ny 2.000 Ar teo aloha teo. Ho an’ny menteau kosa indray izay anisan’ny tena be mpividy tokoa dia efa tafakatra 40.000 Ar no hanombanan’ny mpivarotra ny iray amin’izy ireny ho an’ny friperie ihany raha mbola 30.000 Ar teo aloha. Raha ny fanazavan’ireo mpivarotra sendra anay tetsy Mahamasina omaly moa dia ny any am-potony mihitsy no nampiakatra ny vidin’ny akanjo mafana. Efa misy mahatratra hatrany amin’ny 400.000 Ar ny menteau iray fonosana miisa 50 eo ho eo raha 300.000 Ar teo aloha. Ny vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao no tena mampandeha ny varotra akanjo mafana  friperie eto amintsika, satria miaka-bokatra avokoa ireo tantsaha. Ho an’ireo akanjo mafana anaty anaty botika kosa indray dia mbola mijanona ho 100.000 Ar hatrany ny vidin’ny akanjobà vaovao iray ho an-dehilahy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT