AKANJO, KIRARO,

KOJAKOJAN-TOKANTRANO


  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Tsy misy mpividy, velon-taraina ireo mpivarotra

Tena maina tanteraka ny tsenan’ny akanjo sy ny kiraro ary ireo kojakojan-tokantrano nanomboka ny faran’ny volana Aogositra no mankaty, raha araka ny fanadihadiana natao. Toy ny mitanon’andro fotsiny sanatria no hataon’ireo mpivarotra eny an-tsenany isan’andro noho ny tsy fisian’ny tsena. Nambaran’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray fa saika mbola revo amin’ny fampidirana mpianatra avokoa ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny. Hatramin’izao no hiainanay mpivarotra izany hoy izy hany ka raha vao misy mpividy mijery ary miady varotra dia alefa avy hatrany ilay entana rehefa tsy tena mahafaty antoka. Tsy maintsy mitondra vola mody koa mantsy. Nambarany fa velon-taraina hatramin’ireo tera-tany vahiny fakana entana mihitsy vokatr’izany. Hatramin’ny faran’ny volana Aogositra no mankaty mantsy dia mbola tsy nahalany balina friperie iray ny mpivarotra akanjo iray. Ahitana akanjo miisa 100 mahery anefa ao anatin’io balina io miankina amin’ireo karazan-damba alaina. Samy mahatsiaro ho voamafy ́noho izany na ireo mpivarotra na ireo fakana entana. Mihitsoka tanteraka ny asa fitadiavam-bola. Nomarihin’ireo mpivarotra moa fa amin’ny volana Novambra mandray Desambra any ho any indray vao mety hiverina amin’ny laoniny ny tsena. Na izany aza mbola misy hatrany ireo mividy sy manangona fitaovam-pianarana. Mbola betsaka mantsy ireo Ray aman-dReny misafidy ny tsy hampiditra ny zanany hianatra raha tsy amin’ny volana Janoary taona 2027 noho ny fahasahiranana.
Pati
Legende : Toy ny mitanin’andro fotsiny ireo mpivarotra fitafiana ety amin’ny tsenan’i Mahamasina rehefa Alakamisy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

  • Fondation AXIAN
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Sekoly faha-250 naoriny ny tao Ambahikily

Hijery ny tohiny
FTT