Sosialy

Akanjo fripy 500 Ariary dia efa mitafy


  • Zoma 24 Aprily 2020

Maraina ihany no tena tsena hoy ireo mpivarotra ! Tsy maintsy hatao izay hahalafosana mba tsy handry fotsy hoy Tiana, mpivarotra friperie.

 

 

 

Aleo mihinan-kely hoy izy ary tsy maintsy manao solde fa raha tsy izany tsy tafavoaka. Raha ny eo amin’ity mpivarotra ity dia 500 Ariary monja dia efa mahazo akanjo fitafy. Maro ny mpifaninana aminy ary tsy vitsy mihitsy aza ny eo Ambodin’Isotry no mivarotra fitafy amin’ny vidiny tahaka izany saingy samy manana ny anjara masoandrony io hoy i Tiana. Na izany aza dia tena velon-taraina ny tenany ny amin’ity tsena tapak’andro ity ary milaza fa tena tsy misy ny tsena. Tsy miraika mividy fitafiana izany intsony ny ankamaroan’ny Malagasy fa any amin’ny hanina hatrany aloha no mahamay araka ny nambarany. Rehefa misy kely entina mody misakafo dia isaorana ny ao ambony hoy izy. Nangataka ny mba hijeren’ny fanjakana ireo mpivarotra mitrongy vao homana tahaka azy i Tiana satria efa manomboka voakitika hatramin’ny renivola ary maro aza ny lamba efa namidy masonkarena sy namonoana antoka.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT