Sosialy

Akanin’ny marenina - 67 ha Afaka handray ireo kilonga madinika 2 taona amin’izay


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Ho afaka handray ireo kilonga madinika 2 taona manana olana ara-pihainoana manomboka amin’ny volana martsa ho avy izao ny Akanin’ny Marenina etsy 67 ha.

 

 

 

 Zarina sahady hianatra ireo ankizy madinika ireo raha ny fanazavan’Andriamampianina Rivo, talen’ny sekoly ao anatin’ilay antsoina hoe : “éducation précoce”. Ny tanjona raha araka ny fanazavany hatrany dia ho afaka hianatra avy hatrany ireo ankizy madinika ireo rehefa  feno dimy taona, salan-taonan’ireo ankizy mpianatry ny AKAMA  madinika  indrindra ankehitriny fa tsy  voatery hianatra ny tenin’ny tanana intsony sady ho fanampiana ny ray aman-dreniny ihany koa. Raha oharina amin’ireo ankizy mpianatra mitovy taona aminy mantsy ireo ankizy mpianatry ny AKAMA  vao mandia ny varavaran-tsekoly dia somary tara ihany noho ny fianarana sy fandalinana manokana ny tenin’ny tanàna mba hahafahany mifandray. Nomarihin’ity talen-tsekoly ity moa fa tsy ho an’ny mpianatra ihany fa misokatra ho an’ny rehetra ihany koa ny fianarana ny tenin’ny tanana ao amin’izy ireo.  Ao anatin’ny 21 andro dia voafehy tanteraka izany. Mianatra ora iray isan’andro ny olona iray. 40.000 Ar ny sarany ho an’ireo olon-tsotra.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT