Sosialy

AKAMA 67 HA Nomena baolina sy fanamiana ireo mpianatra lehibe


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Anisan’ny hetsika tsy hananan’ireo mpianatra manana olana ara-pihainoana sakana mihitsy ny fanaovana fanatanjahantena. Anisan’ireny ny basket, ny atletisma, ny lomano saingy ilay kirioka

 

 

hampiasaina iny fotsiny no havadika ho saina kely hahafantarana ny fizotry ny lalao. Ho an’ny AKAMA  etsy amin’ny 67 ha manokana dia kopy marobe no  efa azon’ireo mpianatra tamin’ny lalao ara-panatanjahantena nataony  hoy ny taleny Andriamampianina Rivo, izay mandravaka ny biraony. Mba ho fanampiana tosika ireo mpianatry ny AKAMA hiroso bebe kokoa hatrany amin’ny lalao ara-panatanjahantena ary dia tonga nanamboatra ny kianja filalaovan’izy ireo basket sy nanolotra fanamiana ho an’ireo mpianatra lehibe omaly ireo mpianatra ao amin’ny sekoly ambony INSCAE taona faharoa. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa tanterahin’ireto farany any am-pianarana izany sady hanasoavana ny mpiara-belona ihany koa. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa nofaranana tamin’ny lalao ara-panatanjahantena nifanandrinan’ny roa tonta.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT