AKAIKY NY FETY

Tafakatra 700 Ar sahady ny iray amin’ny atody


  • Talata 28 Novambra 2023

Tafakatra 700 Ar sahady ny iray amin’ny atody akoho amin’izao eny an-tsena raha efa misy

mivarotra 750 Ar ireo mpivarotra sasany. Noho ny havitsian’ny atody miakatra no nambaran’ireo mpiompy avy any Mahitsy fa antony mahatonga izany. Nihenabe mantsy ny isan’ireo akoho manatody lava tonga teto amintsika nafarana avy any ivelany tamin’ny fotoana nisian’ny valan’aretina COVID 19. Mbola misy fiantraikany eto amintsika hatramin’izao izany hoy hatrany ny fanazavana azo fa tsy sanatria ny mpiompy no manararaotra. Ho an’ny eny Antohomadinika manokana araka izany dia mbola misy620 Ar ny iray amin’ny atody raha lafo indrindra. Hikarakarana mofomamy, hanaovana fangarona fanokafam-bavony moa no tena ilana ny atody rehefa ankatoky ny fety tahaka izao raha toraka izany ihany koa ny glasy. Mikasika ireo akora ilaina hafangaro aminy indray dia ny siramamy hatreto no fantatra fa tena niaka-bidibe. Tafakatra 5.200 Ar ny iray kilao eny an-tsena amin’izao raha 4.500 Ar teo aloha. Nahitana fiakarany 100 ka hatramin’ny 200 Ar ihany koa iray kilao amin’ny lafarinina eny an-tsena, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Betsaka ireo tsy afaka hanao fety amim-pilaminana intsony noho izany vokatry ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo.
Pati
Legende : Miaka-bidy sahady ny atody eny an-tsena amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT