Sosialy

AIRTEL’Milay Manome tolotra mora ho an’ny mpanjifa rehetra


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Efa tadifitra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona isika eto Madagasikara ankehitriny.

 

 Tsy diso anjara amin’izany ny orinasam-pifandraisana Airtel, izay manome ny tolotra Airtel’Milay hahafahan’ny rehetra mifaly miaraka amin’ny namany sy ny fianakaviany ao anatin’ny serasera. Tena miavaka izy ity, raha ny tafa nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpanao gazety. Lasa avo roa heny mantsy ny fahana hampidirina ao anaty finday, ho an’ny mpanjifa iray. Raha mampidirina 2.000 Ar ianao dia maharitra roa andro ny fahana,  afaka miantso tsy an-kiato mandritra ny 200 minitra. Misy ihany koa ny tolotra ho an’ny fahana  500 Ar sy ny 1.000 Ar maharitra mandritra 24 ora, miankina amin’ny fahafahan’ny tsirairay. Tanjona araka ny nambaran’Atoa  Eddy Kapuku, tale jeneralin’ny orinasam-pifandraisana Airtel ny hanampiana ny mpanjifa tsy an-kanavaka,  tsy hampihenana ny vidin’ny fahana akory fa ny mba hahafahana mampibontsina izany mba  hifanaraka amin’ny filàn’ny mpianjifa tsirairay avy.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT