Sosialy

AIRTEL Nanampy ireo ankizy lasibatry ny homamiadana


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Telo volana no kely indrindra amin’ireo ankizy lasibatry ny aretina homamiadana eto amintsika. Amin’ny ankapobeny dia ny homamiadan’ny rà, ny maso ary ny tsinay no tena mahazo azy ireny noho ireo antony maro samihafa.

Tonga nanampy sy nanohana ireo ankizy lasibatr’ity aretina iray ity tonga mitsabo tena etsy amin’ny  hôpitaly HJRA Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo ny orinasam-pifandraisana Airtel, notarihin’ny tal jeneraliny Maixent Bekangba. Tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany iadiana amin’ny homamiadana mpahazo ny ankizy izany ka nisy ny fanoloran’izy ireo izay voatsirambin’ny tanany toy ny fanafody sy ny fitaovana toy ny vata fampangatsiahana. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo tompon’andraikitra izany.Raha araka ny fanazavan’ny dokotera  Rakotomahefa Mbola,  dokotera manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana ireo ankizy lasibatry ny aretina homamiadana dia amin’ny alalan’ny fandidiana ihany na ny fanaovana ny “chimiothérapie” no hahafahana manasitrana zaza iray lasibatry ny aretina homamiadana.  Tsiahivina moa fa mahatratra 100 hatramin’ny 120 isan-taona ankehitriny ireo trangana homamiadana hita eto amintsika. Manohana akaiky hatrany ireo marary eto amintsika ny Airtel.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT