Sosialy

AIRTEL Mpiasa nahavita be miisa 20 notolorana medaly


  • Alarobia 24 Janoary 2018

Fotoan-dehibe ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel ny faran’ny herinandro teo. Mpiasa miisa 20 eo anivon’ity orinasa iray ity voasokajy ho nahavita be no notolorana medaly, niasa 10 ka hatramin’ny 17 taona teo anivon’ny orinasa.

 

 Nambaran’Atoa Maiixent Bekangba tale jeneralin’ny orinasa Airtel fa noho ny ezaka sy traikefa nataon’izy 20  mpiasa ireo no nahatonga azy ireo ho eo amin’ny laharana fahatelo amin’ny resaka fifandraisana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny asa fanasoavana ny mpiara-belona izay tsy mijanona amin’ny resaka fifandraisana fotsiny ihany fa mivelatra amin’ny lafiny maro. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny asa sy ny asam-panjakana Atoa Maharante Jean De Dieu. Ankoatra ny medaly dia notolorana mari-panamarinana na certifat de travail maha mpiasa azy eo anivon’ny Airtel ihany koa izy 20 mianadahy ireo. Nifanindran-dalana tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao notanterahin’ny orinasa moa izany, nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT