Sosialy

Aigle d'or Ambatondrazaka Naparitaky ny zandary ireo mpanjifa


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Manao fihenam-bidy 50% amin'ireo kapa amidy ao aminy ny Tranom-barotra Aigle d’or ao Ambatondrazaka mandritra ny herinandro. Nanomboka ny sabotsy 29 aogositra 2020 izany, vao andro voalohany dia nitangorona ny olona satria liana tamin'ny tolotra.

 

Tsy voahaja ny elanelana iray metatra (01m), ka voatery nanaparitaka ireo mpividy ny zandary ary nampiantso ireo tompon'andraikitra tao amin'ity tranom-barotra ity. Niteraka adihevitra teo anivon’ny tambajotran-tserasera facebook kosa anefa io toe-javatra io. Nifandraika rahateo tamin’ny famoriam-bahoaka nataon’ny Filoham-pirenena tany Antsirabe, izay tsy nisy resaka fanajana elanelana iray metatra izany. Ny herinandro teo ihany koa dia nisy ny fitsidihana sy fanoloran’ny Filoha ny taratasy famantarana ny fahazoana ilay findramam-bolan’ny CNaPS tamina orinasa iray tetsy Ambatomaro, izay tsy nanao arotava. Rehefa iza no mamory vahoaka sy tsy manaja fepetra dia henjehina sy saziana ary rehefa iza no malalaka amin’izay tiany hatao ? Hoy ny mpijery.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT