Sosialy

Ahiana ny fipoahana ara-tsosialy Ny mpitondra anefa mbola kofon’ny politika


  • Alarobia 04 Aogositra 2021

Mihamafy ny krizy amin’ny endriny maro eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Milaza hampiakatra vidin’entana ny mpivarotra arina fandrehitra noho ny fidangan’ny vola alain’ny orinasam-panjakana

 Fanalamanga amin’ny lafiny ara-taratasy. Na misy aza ireo mpivarotra io angovo isan’ny tena ampiasain’ny Malagasy io mbola misalasala, dia ao ihany koa ireo nampiakatra izany mialohan’ny fotoana ka efa nahitana hatrany amin’ny 50 000Ar izany tamin’ny toerana sasany. Manambana higrevy ny mpitatitra any amin’ny RN2, ny vidin’entana eny an-tsena midangana hatrany, ny fidiran’ny mpianatra mbola fahasahiranana goavana ho an’ny isan-tokantrano noho ny fahalafosan’ny vidin’ny fitaovana, ny mponina any Atsimo miverina mihamafy ny fitsoaham-ponenana noho ny kere sy ny haintany,… Mitohy sy mihamafy ny takaitran’ny krizy. Maro ireo very asa, ary raha ny taratasy fandroahana mpiasa voarain’ny orinasam-panjakana iray misahana ny fiahiana ara-tsosialy ohatra dia voalaza fa 2000 hatramin’ny 2500 isaky ny telo volana no voaran’izy ireo. Tao anatin’ny herintaona sy tapany teo miseho sy mitohy ny toy izany. Any amin’ny sehatra ara-dalàna aza ahitana an’izany mainka fa any amin’ireo orinasa sasany? Etsy ankilany, tsy misy vahaolana tena aroson’ny Fanjakana satria samy manana ny olany. Ny mpitondra mbola any amin’ny resaka seza sy ny adihevitra politika momba ny tsy fahamarinan-toerany no mahaseriny azy. Marina fa misy ny tsena mora, saingy tsy mahasehaka ny sarambabem-bahoaka, ary vahaolana vonjy tavanandro. Tena anaty krizy lalina ny firenena, saingy tsy manana politika mazava hiatrehana izany ny Fanjakana. Ekena fa misy, ohatra, ny fanomezana fanampiana 50 000 isam-bolana ireo fianankaviana sokajiana ho sahirana, dia mbola misy tsy fangaraharana ny tamin’ny sivana. Ny tena sahirana misy tsy mahazo, fa ny manan-katao indray aza no misy misitraka, toy ny hoe: ny mpanofa trano tsy mahazo, fa ny tompony indray no misitraka,... Tsy mahasehaka ny rehetra ihany koa anefa io ary mety tsy ampy 2% akory amin’ny Malagasy no misitraka azy. Ahiana hiteraka fipoahana ara-tsosialy ny zava-misy sy miseho.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT