Nisy foakarany 150Ar isaky ny kapoaka eo ny vidim-bary any Ambatondrazaka,
izay sopitr’I Madagasikara nanomboka tamin’ity herinandro ity, ka 600Ar eo izany amin’izao fotoana izao. Misy ny manao ady ankafetseana satria mitazona ho 450Ar ny kapoaka, saingy tapahana sy hakelezina, hoy ny mpivarotra sasany. Voalaza fa vokatry ny fitomboan’ny filana ara-bary amin’ny faritra hafa no mahatonga izany. Mbola manana tahiry hatrany amin’ny 600 taonina ny Faritra amin’izao, hoy ny Tompon’andraikitra ny varotra any amin’ity faritra ity tamina fampahalalam-baovao iray. Na izany, misy akony lehibe amin’ny vidin’ny vary eto aminy firenena ny fiakarana any am-potony. Ahiana hidangana hatrany ny vidim-bary, ary manomboka miditra amin’ny vanim-potoana maitso ahitra rahateo isika. Misy ireo toerana sasany eto Madagasikara, izay efa manodidina ny 1000Ar ny kapoaka amin’izao fotoana izao. Hatreto, tsy voafehin’ny Fanjakana velively ny resaka vidim-bary. Tapa-bolana lasa izay no nilaza ny Governoran’ny Banky Foiben’I Madagasikara, fa 10% monja amin’ny filàna vary ho an’I Madagasikara no hafarana avy any ivelany, kanefa vao hoe miakatra ny sandan’ny ariary dia miakatra avy hatrany ny vidiny, izay midika fa misy ny fanararaotana. Misy ny fanaraha-maso ataon’ny minisiteran’ny varotra, saingy mbola tsy tena hita mivaingana ny vokany. Ny Minisiteran’ny Fambolena ihany koa efa naneho, fa miroso amin’ny “digitalisation” ahafahana manana antontam-baovao mikasika ny famokarana sy ny tahirim-bary, ka tsy ho ny mpandraharaha mpanam-bola sy mpanararaotra no hifehy azy io. Mbola tsy tena miantraika aloha izany hatreto. Miha manakaiky ny maitso ahitra, ka irariana mba tena hisy ny ezaka azo tsapain-tànana satria tena sahirana tanteraka ny vahoaka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.