Sosialy

“Agribusiness” mifototra amin’ny Soja any Betafo Afa-po tanteraka ireo mpiara-miombon’antoka vahiny


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Ho fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny fambolena na “agribusiness” mifototra amin’ny ny lalam-piharina Soja ao amin’ny Distrika Betafo sy Mandoto iarahan’ny fikambanana Tantsaha tarihin’Atoa Livasoa

Randriatahinamalala ben’ny Tanàna Betafo, dia tonga nitsidika azy eto Madagasikara ary nidina tany Betafo mihitsy ireo mpandraharaha avy any Singapour roalahy miara-miasa aminy amin’ny fampiroboroboana ny Soja. Noraisin’ny Ben’ny Tanana tao amin’ny biraon’ny Kaominina izy ireo ny herinandro teo. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fampitomboana ny vokatra sy ny hampiakarana ny kalitao Soja, ary ary tonga hatrany amin’ny hametrahana ozinina mpanao menaka soja sy mpanao lafarina Soja eto Madagasikara aza izany. Nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa hatrany ireto mpandraharaha ireto, hiara-hiasa amin’ity tanora olom-boafidy ity satria dia na dia na vao fiaraha-miasa vao niatomboka aza dia efa afa-po tanteraka ireto mpandraharaha ireto ny amin’ny kalitaon’ny vokatra Soja ary efa azo eo am-pelantanana ankehitriny ny “attestation” avy any amin’ny “Ecocert” manamarina ny vokatra “Bio” ary efa anaty kaontenera amin’izao ny andiany voalohany haondrana. Tsara ho fantatra fa ity tanora olom-boafidy ity no vato nananana sy vy nahitany ireto mpandraharaha ireto izay ny vahoaka 1 4000 isa mpikambana no miara-misitraka ny tombosoa azo avy amin’izany satria dia nizara masom-boly 20 taonina ry zareo tamin’ny taom-pambolena lasa teo, ary niakatra tsy toy ny nahazatra ny vidin’ny soja nandritra ny vanim-potoana fiakaran’ny vokatra ary tena faly dia faly tanteraka ny tantsaha satria izany no tena fampandrosoana miatraika amin’ny aty vilany ka dia misaotra sy mankasitraka ity tanora ity ny vahoaka tantsaha mampoly eto aran’ny Distrika Betafo. Efa eo am-panomanana ny taom-pambolena manaraka amin’izao ny Fikambanana Firaisankina izay tarihin’ity tanora olom-boafidy ity.
MBOLA MILA EZAKA I MADAGASIKARA
Nilaza moa andriamatoa Livasoa ben’ny Tanana Betafo fa tena mbola tara isika eto Madagasikara amin’ny sehatra ny “agribusiness” satria raha ny fihaonana tamin’ireto mpandraharaha iteto, dia fantatra fa any Togo sy Burkina Faso dia efa mamboly soja in-telo miantaona ao anatin’ny taona iray ny tantsaha raha indray monja fotsiny ny eto Madagasikara. Ny antony dia noho ny tsy fanaovan’ny Fanjakana laharam-pahamehana ny fambolena fa aleo manafatra nefa dia firenena tokony ho sangany amin’ny fambolena na “à vocation agricole” i Madagasikara. Efa eo am-panandramana amin’izao ny kapoerativa Firaisankina, koa raha mety dia hinoana ny hisian’ny vokatra in-droa miantoana eto Madagasikara”, hoy Atoa Livasoa Randriatahinamalala.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT