Sosialy

AGENCE Ambinintsoa Nahatsiaro ireo mpanampy an-trano naharitra tamin’ny asany


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Toy ny fanaony isan-taona dia nahatsiaro manokana ireo mpanampy an-trano naharitra tamin’ny asany 12 volana no mihoatra ny Agence Ambinintsoa eny Ambondrona.

 

 

Nozaraina fanomezana toy ny vera sy akoho izy ireo izay nahatratra 300 isa. Izany no natao moa hoy Asmine Ramahakotrona, filoha tale jeneralin’ny agence dia hamporisihina ireo mpanampy an-trano mba hazoto hatrany amin’ny asany ary hahafahany mahaleo tena afaka 5 taona ankoatra ny fanaporofoana amin’ny rehetra mba tsy mpiray tsikombakomba amin’ny ratsy ny agence sy ny mpanampy an-trano fa tena manampy ny mpampiasa tokoa. Tsiahivina moa fa efa 10 taona katroka izao no nijoroan’ity agence ity. Tsy maka vola amin’ny mpanampy an-trano izy ireo nefa manome fiofanana maimaim-poana toy ny fahaiza-miaina, ny fahadiovana, ny fitondran-tena mba hampateza ny asan’izy ireny. Malalaka ihany koa ny mpanampy sy ny mpampiasa misafidy izay olona tiany hiara-hifanohana aminy hoy hatrany Ramahakotroka Asmine ary tsy misy idiran’ny agence ny resaka karama. Na izany aza anefa dia miaro ny zon’ny mpanampy an-trano feno izy ireo toy ireo voavono, tsy mahazo karaman, tsy omena sakafo. Nisy ihany koa moa ny fisarihana ilay lela-vola 100.000 Ar ho an’izay mpanampy tsara vintana indrindra, tamin’io afaka omaly faran’ny taona io.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT