Sosialy

Afon-tsaribao, voninkazo Tsy azo ahiboka ao an-trano amin’ny alina


  • Talata 28 Jona 2022

Olona 4 no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny afon-tsaribao teny Tanjombato Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo.

Noho ny hatsiaka mamirifiry mandritra ny alina no nanosika ireo olona ireo hampirehitra afo tao an-tokantranony ka sempotra vokatry ny dioxyde de carbone niparitaka izy ireo. Tsy ny afon-tsaribao ihany hoy Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana no mety hahafaty amin’ny alina fa ny voninkazo velona maniry ihany koa. Samy tsy azo hatao ao an-tokantrano avokoa ireo amin’ny alina hoy izy indrindra fa ao amin’ny efitrano fatoriana noho ny famoahany io dioxyde de carbone io. Ny mitroka ny oxygène izay tokony ho fohantsika olombelona amin’ny alina indray aza no hataon’izy ireo hoy hatrany ny fanazavan’ity tompon’andraikitra iray ity ka ilana fitandremanabe. Nomarihiny manokana moa fa fanina ny olona tratran’ny fofom-tsaribao amin’ny voalohany. Mihena tsikelikely ny heriny ary mety ho torana izy, tranga izay mitarika mankany amin’ny fahafatesana rehefa tsy misy rivotra iainana intsony sy tsy voavonjy haingana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT