Sosialy

Afo manimba zavaboary eto Madagasikara Nihena 50 % tao anatin’ny enim-bolana


  • Zoma 05 Jolay 2019

Maika ny ady amin’ny afo eto amintsika ho an’ny “Madagascar National Parks” raha tiana ny hahazo mpizahatany vahiny betsaka manomboka ny 01 aogositra ho avy izao ka hatramin’ny faran’ny volana novambra taona 2019.

 

 

 Ny afo mantsy, raha ny fanazavan’ny dokotera Mamy Rakotoarijaona, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny MNP no fototra iray tena mamotika ireo zavaboary  sy zava-mananaina sarobidy eto amintsika, izay tena miantoka ny fahatongavan’ireo mpizahatany vahiny marobe  eto Madagasikara sady  mampidi-bola vahiny betsaka ihany koa. Efa nahitana ezaka goavana kosa ny ady amin’ny afo teto amintsika. Nihena ho 168 isa mantsy ny tetikafo hitan’izy ireo tamin’ny zana-bolana nandritra ny tapa-taona voalohany teo raha nahatratra hatrany amin’ny 272 tamin’ny taon-dasa. Miandry mpizahatany hatrany amin’ny  250.000 isa hitsidika ireo Park enina malaza eto amintsika izy ireo manomboka amin’ny volana aogositra ho avy io raha 300.000 kosa manerana ny Nosy. Efa vonona amin’ny fandraisana tanteraka izy ireo hatreto ka anisan’ireny ny fanentanana ireo hotely samihafa mba hahay handray vahiny,  toy izany koa ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’ny lalam-pirenena fahenina sy fahafito izay hiarahana amin’ny fitondram-panjakana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT