Sosialy

Afo be teny Vatobe 67 Ha Trano 290 may kila, 3 namoy ny ainy


  • Alarobia 24 Jona 2020

Nirehitra ny tanàna teny Vatobe 67Ha izay ao anatin’ny fokontany Andohatapenaka Voalohany omaly tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany tolakandro. Trano miisa 290 no lasa lavenona ary 1000 mahery traboina, raha ny tatitra vonjimaika. Tranohazo ny ankamaroan’ireo may.

 

Olona miisa 3 ihany koa no namoy ny ainy, raha ny vaovao vonjimaika azo omaly hariva hatrany. Zaza anankiray no isan’ny tavela tao anaty afo, raha ny fanazavan’ny mponina. Kila forehitra hatramin’ny kisoa biby fiompin’ny olona. Nisy fahatarana ny fiantsoana ny mpamonjy voina, raha ny fanazavana. Tsy fantatra mazava ny antony sy niteraka ny firehetana, fa ny voalaza dia ny hoe niainga avy tamina tranohazo. Niitatra haingana dia haingana ny afo, nijoalajoala satria mahery rahateo ny rivotra. Anaty tanàna ny toerana, izay nampananosarotra ihany koa ny fifehezana ny afo, ary ora maro vao voafehy. Vao ny 11 jona lasa teo no nisiana haintrano mahatsiravina teny Manarintsoa Isotry. Sesilany ny haintrano mahatsiravina tato ho ato. Mety ho loza voajanahary mpiseho ny tahaka izao, fa indraindray ihany koa mety paikady hanilihana fiarahamonina na vondrom-piarahamonina amin’ny toerana iray ka lasan’ny manan-katao ny tany. Andrasana ny valin’ny fanadihadiana mahakasika ity loza mahatsiravina ity. Nidina ifotony teny an-toerana ny ben’ny tanànan’Antananarivo, ny Governoran’Analamanga, ary ny Minisitry ny mponina nijery izay azo atao eo anatrehan’ny loza.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT