Sosialy

Aferana laza adina bakalorea Olona 18 nosamborina, mpianatra 64 hatao famotorana …


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna niseho nandritra ny fanadinana Bakalôrea teo,

 

 

indrindra fa ny fivoahan’ny laza adina Bakalôrea mialoha.  Efa nanao ny asany izy ireo ary fantatra fa olona 18 no efa nosamborina ary natolotra ny fampanoavana tamin’io andro io ihany ka ny 11 tany Fianarantsoa raha tany Imerintsiatosika kosa ny fito ambiny izay nahitana tompon’andraikitry ny fampianarana sy mpianatra.  Foibem-panadinana 7 tamin’ireo 299 manerana ny Nosy no nahitana izany ka ireto foibem-panadinana roa voalaza etsy ambony ireto no efa nahazoam-bokatra. Fantatra fa teto Antananarivo no niainga io fivoahan’ny laza adina mialoha io ka ireo mpianatra nivondrona tao anatina tambajotran-tserasera mitondra ny anarana hoe : Bakalôrea 2019 no nifampizara ary nanaparitaka izany tamin’ny namany hafa. Ho an’ireo 18 tratra ireo dia nahitana ny laza adina rehetra tany aminy, niampy ny valiny efa voatsara ihany koa izay noraiketina tao anaty tablety. Nomarihin’ny jeneraly Ravalomanana, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena moa fa nisy ihany koa ireo ankizy mpianatra miisa 64 tratra nivorivory sy niara-nikatroka ireo laza adina hitany mialoha saingy  niniana tsy nokitihina aloha izy ireo tamin’ny fotoana nahatrarana azy fa navela niatrika soa aman-tsara ny fanadinany ihany. Faritra 8 tamin’ny 22 isa moa no nahitana ity tranga ity, izay nohamafisin’ity jeneraly iray ity hatrany fa tsy hamelany raha tsy tratra izay tena atidoha nikotrika na iza izy na iza.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT