Sosialy

Afera maro momba ny tahiry ara-tsosialy


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

Miandry ny GEM hitsangana mpiasan’ny CNaPS

Nitondra valin-kafatra sy fanazavana ireo Sendikan’ny mpiasan’ny CNaPS omaly teo anatrehan’ny fanambaran’ny Vondron’ny mpampiasa sy mpiasa nahitana ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar), ny FivMpaMa (Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy), GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires) ary ny CTM (Conférence des travailleurs de Madagascar), izay nilaza fa tsy ara-dalàna ny fitakiana ataon’ny mpiasan’ny CNaPS, ary tsy anjarany no hanaovany fitakiana. Naneho kosa ny mpiasan’ny CNaPS raha ny hita tamin’ny haino aman-jery, fa nisy ny fehin-kevitra niarahana tamin’ny minisitry ny asa sy ny minisitry ny vola, ka teo no nanomboka nahatsapana fa hisy fehin-kevitra satria nosoniavin’ny telo tonta, izay nahitana ny mpiasa sy ireo solontenan’ny Filankevi-pitantanana, efa tonga hatramin’ny taratasy manala ny “restriction budgétaire”,… Inona marina no tena asan’ny CA hanakorontana ny fehin-kevitra avy amin’ny Praiminisitra sy ireo minisitera mpiahy ve? Hoy izy ireo. Nisy teboka 4 ny fitakiana hoy izy ireo, ary tsy miditra amin’izay pitsopitsony, fa nanontany hoe: nahoana no tsy nesorina kanefa tsy afaka mandray ny asany sy mifanerasera amin’ny mpiasa? Notsipihin’izy ireo, fa mpikamban’ny Filankevi-pitantanana ireo mpitarika ny GEM, azo lazaina fa tompon’andraikitra eo anivon’ny CNaPS, Kaomisionina mpanara-maso eo anivon’ny CNaPS ny GEM, ireo no tokony hijoro tamin’ny fanapahana toy ny tamin’ny 2022, ireo no nananga-tànana tamin’ny fampindramam-bola ny kaominina Antananarivo,… Miandry ny fitsanganan’ireo eo anatrehan’ireo raharaha maro samihafa tsy mazava teo anivon’ny CNaPS noho izany ny Sendikan’ny mpiasa. Misokatra amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva kosa ny CNaPS rehetra raha ny fanambaran’ireo Sendikan’ny mpiasa tamin’ireo haino aman-jery nantsoiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT