Afera maloto tao amin'ny JIRAMA

Fividianana Gropy ho an'Ambovombe sy Manja no nanodinana vola


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Fanodinkodinana volam-panjakana, fanaparam-pahefana, fanaovana hosoka,

firaisana tsikombakomba, ireo no vesatra nanenjehana ireo voarohirohy miisa 15 avy ao amin'ny orinasa Jirama, ary nanao ny fanadihadiana ny birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly na Bianco.Nalefa eny amin'ny fitsarana manokana misahana ny kolikoly avy eo ny raharaha ka nandeha ny fihainoana sy fakana am-bavany ireo voarohirohy.Nilatsaka ny didy afaka ora maromaro ka olona 3 nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, dia ny mpandrindra rezionalin'ny Jirama, mpikambana iray ao amin'ny filan-kevim-pitantanana ary olona iray avy amina orinasa mpamatsy ny jirama. Fividianana milina mpamokatra herinaratra ho an'ny distrikan'Ambovombe sy Manja no nitrangan'ny afera maloto. Efa nirafidrafitra ny paik'ady maloto : misy tompon'andraikitra mamoaka ny fangatahana vidin'entana, misy olona avy amina orinasa aty ivelany mamaly izany. Misy tompon'andraikitra iray avy eo manome alalana ny amin'ny hamoahana ny vola sy ividianana ireo fitaovana. Tsy vitan'izay fa mbola atao ambony kokoa ny vidiny mba hahazoana tombony. Mivoaka avy ao amin'ny jirama mankany amin'ilay orinasa avy eo ny taratasim-bola dia tahaka izay hatrany ny fomba fiasa. Tra-tehaka izany aloha ny tamin'ity indray mitoraka ity, ary ny tena henjana dia olona milaza azy hatramin'izay fa miaro ny mpanjifa no mpiray tsikombakomba amina afera maloto mamotika ny orimasam-panjakana tahaka izao.
Nangonin'i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT