Sosialy

Afera fanolanana sy vono olona 2 lahy maty notaritarihina eran’ny tanàna


  • Alarobia 19 Jona 2019

Lehilahy mpivahiny miisa 2 matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny endriny hafa mihitsy tany amin’ny kaominina Tanambao Dahoda any Sambava omaly talata 18 jona tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

 

 

Voatondro ho nanolana tovovavy kely iray tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andranomolotra izy ireo, ka rehefa vita ny filan-dratsy dia nesorina ny ainy. Tsy vitan’izay fa mbola nodorana ny fatiny, ka izay tsy lanin’ny afo dia nariana tany anaty ala, raha ny fanazavana. Nandeha ny fanadihadiana taty aoriana, ka izy ireo no voalaza ho tompon’antoka, ary voasambotra. Tonga ireo fianakavian’ny maty ary nitaky ny hanolorana azy ireo roalahy, saingy tsy nety ny Ben’ny tanàna Totofeno Modeste satria tsy araka ny lalàna ny fitsaram-bahoaka. Niditra an-keriny tao amin’ny toerana nitazonana azy roalahy ireo ankilany, ka dia raikitra ka tsy tana intsony.  Nampijaliana, nofatorana ary notaritarihin’ny olona eraky ny tanàna. Latsaka hatramin’ny maloto, ary koakan’ny tany sy ny vato ny fitafiany, rapa tanteraka ny vatany, ka samy tapitra ny ainy. Zary fahafinaretan’ireo tanora teo an-tanàna mihitsy ny nitaritarika azy ireo. Mety ho olana amin’ny toe-javatra tahaka itony ny fisiana tondro molotra. “Raha misy tratra mangalatra na mamono olona, dia atero any amin’ny mpitandro filaminana. Hanangana fonja manokana mihitsy isika… hogadraina  mandra-pahafaty ireo izay mamono olona”, hoy i Andry Rajoelina tamin’ny tatitry ny 100 andro nitondrany ny 28 aprily teny Mahamasina. Andrasana izay ho tohiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT