Sosialy

Ady tany ho an’ny taona 2021 Hifarana ny 31 desambra ny fandraisana ireo fitarainana


  • Alarobia 08 Desambra 2021

Nanao tatitra ny tohin’ny asany tetsy amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly ny vaomiera mpanadihady ny ady tany miverimberina eto Madagasikara eny anivon’ny antenimieram-pirenena tarihin’ny filohany,

 ny depiote Naivo Raholdina. An-jatony, hoy izy ireo, ny fitarainana voaray. Tsy maintsy dinihina antsipiriany nefa izy ireny hoe ao anatin’ny fahefanay sa tsia. Dosie miisa 5 no hodinihinay aloha anio (TTF:omaly). Voalohany ny olana mafampana eny Antanandrano izay hiadian’ny mpandova sy ny orinasa Telma. Faharoa dia ny tsindry hazolena eny Fenoarivo izay ananan’ireo tompon-tanana sy mpandova olana amina lehibena vadintany iray eto Madagasikara manambady karana. Fahatelo ny eny Ankazobe izay miady amin’ny vahoaka sy Royal spirit izay orinasa iray mipetraka amin’ny tanim-bahoaka hanaovana fanadihadiana. Eo koa ny avy any Moramanga izay ahitana dosie maro saingy tsy vita indray andro dia iray ihany aloha no dinihina. Eo koa ny any Arivonimamo izay olana maro samihafa koa fa karazany iray aloha no ho dinihina. Tsy mpitsara izahay fa mijery ny rariny ka raha sanatria mahita kolikoly amin’ny vokatra eto dia tsy maintsy resahanay eny anivon’ny Bianco, Fitsarana, PAC. Raha misy tsy rariny hita eny anivon’ny fitsarana dia tsy maintsy mamoaka fehin-kevitra na “resolution” izahay hiantsoana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Noferana hatramin’ny 31 desambra 2021 no handraisana farany ny fitarainana mikasika ity fanadihadiana parlemantera 2021 ity. Ny fitarainana dia aterin’ny mpitaraina eto amin’ny antenimieram-pirenena na ampitondrainy ny solombavambahoakany ka ho raisina eo amin’ny sampana momba ny raharaha ankapobeny na “service des affaires générales”. Enim-bolana aorian’izay, araka ny voalazan’ny lalana sy lalampanorenana ahafahanay manatanteraka azy dia 4 volana amin’io no handinihanay daholo ireo rehetra ireo. Vita izay dia tonga amin’ny valin’ny fanadihadiana izahay, hoy hatrany izy ireo sady nanamarika fa izay no mahakasika ny fanadihadiana parlemantera momba ny ady tany ho an’ity taona 2021 ity.
J.Mirija
Legende: Ireo solombavambahoaka mpanadihady tarihin’ny filohany, Naivo Raholdina.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT