Sosialy

Ady tany etsy manjaka Ilafy Vadin’olona ambony no miseho manjakazaka


  • Zoma 08 Jona 2018

Mihamahazo vahana hatrany ny ady tany eto amintsika. Ny tena mampalahelo anefa amin’ny ankapobeny dia ilay teny tompony indray no lasa mitondra faisana amin’izy ireny toy ny nahazo an-dRakotonaivo Ignace tompon’ny tany etsy Manjaka Ilafy laharana faha-60 mirefy 3 ha, 72 a, 78 ca.

 Izy indray no notoriana ka notanan’ ny polisy. Tamin’ny 30 aogositra 1990 anefa no natao ny fifampivarotana ny tany ary voasoratra ao amin’ny bokin’ny fananan-tany tamin’ny 8 mey 1991 amin’ny anaran’ity raim-pianakaviana iray ity. Nanazava izy fa  azy ny tany ary tsy omena na iza na iza. Raha misy olona milaza ho tompon’ny tany dia  tokony hitondra taratasy izy fa tsy am-bava fotsiny, hoy izy.  Mpamboly miisa 15 no nifanaraka tamin’ity rangahy lehibe ity fa hamboly eo amin’ny taniny. Anisan’ireny i Solofoniriana Mampionona izay nilaza fa  mahafantatra tsara ny momba io tany io. Namboly teo amin’ny taniny izahay hatramin’izay, hoy izy saingy  tonga izy ankehitriny milaza fa mila ny taniny dia miala momora izahay ”. Tsiahivina moa fa efa tonga teny an-toerana ihany koa omaly ilay vadin’olona ambony milaza ho tompon’ny tany niaraka tamina andian’olona. Nambarany anefa fa tsy manana taratasy izy ireo saingy an’ny fokonolona ny tany satria tanim-panjakana, hono. Anisan’ny manampy ity Rangahibe 60 taona tompon’ny tany ity moa  ny orinasa MIR na Madagascar Immobilier Ravelonanosy. Tanjon’ny tale jeneralin’ny orinasa ny hanampy ireo vahoaka sahirana hiharan’ny tsindry hazo lena tahaka izao nefa manana ny rariny.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT