Sosialy

Ady tany eo amin’ny Malagasy sy mpanjanatany fahiny Mbola mampifanjevo ny ao Moramanga


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Saika tanin’ny faritany ny ankamaroan’ny tany ao Moramanga, hoy ny depiote teo aloha voafidy tao an-toerana, Charles Andriamahefa.

 

 

Tamin’ny fanjanahantany dia nisy tanina mpanjanaka niverina amin’ny fanjakana ny ankamaroany ny taona 1999. Ny faritany no nitantana ny ankamaroany. Taty aoriana dia mbola misy hoe “colon” manana tany hampiambenany olon-kafa. Mifanjevo ireo tany ireo ankehitriny. Taorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 2006 moa dia foana ny faritany. Tsy afaka manome taratasy intsony. Nisy sarintsarina “comité ad’hoc” taty aoriana natsangan-dry zareo saingy tsy tokony hankatoavina io satria mbola izay voasonian’ny faritany ihany no eken’ireo rafitra misahana ny fananantany (“domaine” sy “topo”). Niteraka olana io taty aoriana satria misy mahazo tany vao haingana kanefa ireo efa nanana “titre” elabe tsy nahazo. Miteraka savorovoro hatrany amin’ny ambaratonga ambony io ary misy vaditany mamoaka ny olona ao an-trano mihitsy nefa tsy ara-dalàna, hoy hatrany ny fanazavany. Tranga hafa koa ny fisiana vazaha manana tany tamin’ny andron’ny fanjanahantany izay misy mpiambina. Misy kisandosandoka koa kanefa dia ohatry ny manan-kery ary mandresy any amin’ny tribonaly. Ankehitriny moa, hoy hatrany izy, dia misy rafitra manokana napetraka hiarovana ireny vahoaka hiharan’ny tsindry hazo lena ireny ary dia miandry izay fiasany ity solombavambahoaka teo aloha ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT