Sosialy

Ady tany eny Antanandrano Fianakaviana an-jatony no lasibatra


  • Zoma 04 Jona 2021

Nanohy ny fitokonany tetsy amin’ny tany etsy Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy,

 ireo mponina eny an-toerana izay nilaza ho manana “titre” sy kadasitra milaza fa azy ireo ity tany eo akaikin’ny fiantsonan’ny taksibe 109 ity omaly. Bodoin’ny Karana ny taninay, hoy izy ireo, araka izao hitanareo izao nefa efa resinay hatrany izy ireo tany amin’ny fitsarana. Efa 20 taona mahery izay no nisian’ny ady tany teto ary izahay tsy hiala eto hatramin’ny farany. Manao antso avo amin’ny filoham-pirenena izahay mba hijery manokana ity toe-draharaha ity fa tena mampalahelo. Mampiseho ny heriny mibodo ny taninay an-kitsirano ny mpanam-bola, hoy hatrany izy ireo. Mirefy 33ha moa ny tany, raha ny fanazavana, ary fianakaviana aman-jatony no lasibatra ao anatin’izao raharaha izao. Mino sy manantena izahay, hoy izy ireo, fa miahy sy tia ny madinika toa anay ny filoham-pirenena ka handray andraikitra feno manoloana ny raharaha. Rehefa tsy izay moa dia handray fepetra izahay satria mihatra aman’aina ny tolona ataonay ary misy kolonely manao ramatahora. Ny tena mahagaga dia hatramina mpitandro filaminana tonga eto. Aoka hesorina eto ireny fa mampihorohoro hatramin’ny zanakay, hoy hatrany izy ireo. Tsy nety naneho hevitra mikasika ity raharaha ity moa ny teo anivon’ny kaominina ary nanamarika kosa fa anjaran’ny fitsarana no manapa-kevitra manoloana ny toe-draharaha.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT