Sosialy

Ady tany eny Ankorondrano andrefana Tonga amin’ny fandravana trano ny tompon’ny tany


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Mbola mifandrirotra amin’ny resaka ady tany ny fokonolona sy ny olona milaza azy ho tompon’ny tany.

 

 

Tsy nanaiky nanao fifanarahana tamin’ireo milaza fa tompon’ny tany ny fokonolona, ka norahonany avy hatrany ary nilaza ilay tompon’ny tany fa amin’ity herinandro ity dia hitondra didy fandravana trano avy any amin’ny tribonaly izy. Raha ny nambaran’ireo fokonolona dia nampanantsoin’ilay “gérant”  milaza fa tompon’ny tany izy ireo, ny zoma lasa teo, ary nilaza io olona io fa nasainy nitady trano ireo fokonolona ka izy no hiantoka ny hofan-trano mandritry ny 4 volana, izy koa no miantoka ny fiara hitaomana entana ary omena vatsin-dalana koa  ny fokonolona.  Tsy vitan’izay fa mbola notakian’io “gérant” io antontan-taratasy momba ny tany koa  ireo mponina ary nilaza ireto farany fa efa lasa any amin’ny “domaine” sy ny tribonaly ny dosie rehetra mikasika ny tany.  Rehefa tsy nanaiky fifanarahana anefa ireto mponina dia nahazo fandrahonana. Tsy nasian’io olona milaza fa tompon’ny tany io hasina koa ny fanajarian’izy ireo ny tany an-tanaony maro. Tsy hanaiky ary tsy hiala amin’ny taniny ireto mponina, raha ny nambaran’izy ireo ary tany mbola miady any amin’ny tribonaly izy io, izao mbola iadivana izao, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina, hoy ny mponina fa mahitahita lalana io olona io ary manam-bola ary tonga dia hitondra ny didy fandravana avy any izy, hoy ireo mponina.

Sitraka r.   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT