Sosialy

Ady tany eny Ambavahaditokana Taratasy fifampivarotana tsy misy sonia no nampiasaina


  • Alarobia 10 Novambra 2021

“Taratasy fifampivarotana tsy misy sonia dia maheresy ny anay” Raharaha mibahan-toerana indrindra eny anivon’ny Fitsarana Malagasy ny resaka ady tany, izay miseho amin’ny endriny maro.

 Ho an’ny raim-pianankaviana iray antsoina Rajaonarimisa Hando Tiana, izay nitantara ny manjo azy ireo, dia nividy tany teny Ambavahaditokana Itaosy Parcèlle 1751 ny taona lohandohan’ny taona 2017. Tany an’ny taranak'olona atao hoe Razanamiary no novidiany. “Ara-dalàna avokoa ny taratasin'izy ireo nisy “juridique” sy “cadastre” nentiny nivarotra azy niaraka tamin’ny “notoriété”-ndry zareo. Novidiako ilay tany, teo avokoa izy mpandova rehetra nanao sonia ny fifampivarotana vita izay », hoy izy. Ny volana oktobra 2017, nisy nilaza fa azy ny tany ary nahazo fiantsoana hiatrika tribonaly ady heloka tsotra Tribonaly Ambaratonga voalohany Anosy. Gaga izahay fa nisy “acte de vente” na taratasy fifampivarotana, izay "extrait" no nentin’ireo nitory. Rehefa niezaka nitady an’io “acte” io izahay tao amin’ny Kaominina Fenoarivo, dia teo no nahalalanay fa tsy misy sonian'ny mpivarotra io “acte” io, io ihany anefa no antontan-taratasy ananany anefa dia maharesy ny anay”, hoy ity raim-pianankaviana ity. Voalaza ao anatin’ny “juridique” tokoa fa Razanamiary sy Razanadrasoa ny mpandova ny tany. Ao anatin’ilay taratasy fifampivarotana, dia voarakitra fa nivarotra ny tany izy ireo tamin’ny taona 1956 kanefa voamarika ao anatin’ilay taratasy tsy nanao Sonia Razanadrasoa ary nosoratana ao fa tsy mahay manoratra. Araka ny fanazavana, tsy misy lavitondrony ihany koa anefa io taratasy ambara fa fifampivarotana io, ka ahiana ho nasisika fotsiny. Taty aoriana rahateo, dia nisy ny taratasy mazava fizaram-pananan-dRazanamiary sy Razanadrasoa. “Nahavita “mutation par décés” ara-dalàna tamin’ny alalan’ny « Acte de notoriété » ihany koa ny taranak’I Razanamiary, izay vao namidiny tamiko ny tanin’izy ireo, ary efa vitako soratra amiko, ananako ny taratasy rehetra, kanefa dia resin’ny olona tsy manana taratasy aho, hoy ny fitarainan-dRajaonarimisa Hando Tiana. Ny fanontaniana mipetraka amin’ity raharaha ity izany dia hoe: ara-dalàna ve ilay fifampivarotana kanefa tsy misy sonia na lavitondron’ny mpandova? Azon’ny olona iray atao ary manan-kery ve ny mivarotra fananana tsy vita zara ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT