Sosialy

Ady tany ao Mananara Avaratra Mivoaka tamin’ny fahanginany ny vahoaka


  • Alarobia 19 Jona 2019

Tsy hangina intsony manoloana ny ady tany ao Mananara Avaratra ireo mponina, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

 Ireo olom-boafidy sy voatendriny, indrindra fa ny lehiben’ny distrika sy ny lefiny, mihitsy no lehiben’ny kolikoly ara-tany, raha ny fampitam-baovao. Ankoatra ireo tany efa niadian’ireo mpanam-bola sy vahiny ary ireo mpibizina vokatra fanondrana tamin’ny mponina dia ilay tany akaikin’ny seranam-piaramanidina any an-toerana indray no misy olana. Milaza ireo manampahefana fa ilain’ny Adema ny tany amin’ny fanatsarana ny seranam-piaramanidina na efa olona manodidina an’arivony aza no tsy maintsy miala. Tsy nandà ny fialany ny mponina raha ho fanatsarana ny tanànan’izy ireo no antony saingy raha mba mitaky tany hafa hamindran’izy ireo ny fananany ireto mponina dia fandrahonana amin’ny basy sy fisamborana no setriny. Tsy nilefitra ireo fokonolona fa niezaka nitady tany hifindrany. Nitady teo anivon’ny kaominina izy ireo saingy nilaza ny ben’ny tanàna fa tsy manana tany intsony ny kaominina fa tapitra namidin’ny solontenam-panjakana avokoa. Teny amin’ny biraon’ny fananan-tany kosa dia nahitana tany saingy raha nifindran’izy ireo dia nisy solontenam-panjakana milaza fa tany fananan’ny fandraharahan’ny fonja io. Ireo mpandraharaha ny fonja anefa tsy mahalala izany akory. Manambana basy sy mandrahona ireo manampahefana ireo ankehitriny, raha ny fanazavana. Tsy hanaiky lembenana intsony ny mponina, raha ny voalaza, ka ahiana ny sakoroka sy fandorana ka antony hangatahan’ireto mponina ireto fijeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny zava-misy.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT