Sosialy

Ady tany ao Amparafaravola Mitohy amin’ny fakana vary eny an-tanimbary


  • Talata 27 Desambra 2022

Mangataka fiaraha-miasa amin’ireo mpitondra izay afaka mba hiantso ireo manam-pahefana akaiky indrindra, hoy ny zanaka tantsaha iray ao Amparafaravola, fa ny vary izay nambolen’i Rakotondrazaka papako niteraka ahy dia

nalain’olona maro an-kitsirano amin’izao ora izao (TTF: Omaly tokony tamin’ny 1 ora tolakandro teo). Nitondra vahoka be dia be, hoy izy, ireo olona milaza ho tompon’ny tany. Efa nandalo tao amin’ny tribonalin’Ambatondrazaka io ady tany io. Nisy didy nivoaka fa misy sazy miantona ho an’ireo mpanohitra milaza ho tompon’ny tany. Ny tany dia an’i Rakotondrazaka papako ary ny vary dia nambolen’ireo mpiara-miasa amin’ny papako. Mangataka aho tompoko hijery ary handray andraikitra akaiky ny faritra Alaotra Mangoro hamonjy sy hijery akaiky izao tranga izao. Manao fandrahonana ho faty ireo olona ireo ary milaza koa fa tsy matahotra fanjakana izany. Miteny hoe alaivo sary mihitsy izahay fa tsy matahotra mihitsy, hoy hatrany ny antsoavo nataon’ity zanaka tantsaha ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT