Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjariantsakafo Hampandraisina anjara ireo parlemantera mpamolavola lalàna


  • Alatsinainy 30 Septambra 2019

Manana tanjona ny hamondrona an’ireo parlemantera eto amintsika, amin’ny maha mpanao lalàna azy ireo, ny vovonana HINA, na ny Hetsika Iraisana Natokana ho an’ny Ady amin’ny Tsy fanjariantsakafo.

 

 

Soso-kevitra hatao amin’izy ireo amin’izany ny mba hampitomboana ny tetibola haompana amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary koa ny mba hisian’ny lalàna mifandraika amin’izay tsy fanjarian-tsakafo izay. Nanao atrikasa nandritra ny 4 andro ity vovonana ity, izay nandraisan’ireo solontena avy amin’ny faritra 18 anjara, nanomboka tamin’ny talata lasa teo. Nisy, nandritra izany, ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpikambana, tamin’ny alalan’ny fanofanana azy ireo momba ny fanaovana sisikevitra sy ny fanentanana ary ny tamberin’andraikitra. Mbola maro mantsy ny ezaka tokony hataon’ireo rehetra misehatra eo anivon’izany fanjariantsakafo izany, na dia efa nahitana fihenany aza ny tahany eto amintsika, araka ny antontan’isa nivoaka tamin’ny taona 2018. Raha toa ka 47% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto amintsika teo aloha dia any amin’ny 42% izy amin’izao. Vinan’ny vovonana HINA, ankoatra izay, ny hameno ny Faritra 22, satria raha amin’izao fotoana izao dia tsy mbola ahitana azy ireo ny Faritra SAVA, DIANA, Sofia ary Betsiboka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT