Rehefa nahazo ny amboara tompondakan’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-33-n’ireo
filoham-panjakana mivondrona ao anatin’ny Vondrona Afrikanina, dia nametraka fa ho ampidinina any amin’ny 21% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo mitarazoka eto amintsika, raha 42% izany ankehitriny. Azo inoana fa ho mafimafy kokoa ny fanamby, vokatry ny fisian’izao valanaretina « coronavirus » izao. Noho ny fihibohana tsy maintsy napetraka mantsy, dia mety hihena ny sakafo hanina, na izay hita ihany no harapaka, fa tsy voahaja ny fihinanana sakafo maro loko. Etsy an-daniny, misy an’ireo karazana fanampin-tsakafo ampiasaina amin’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjariantsakafo, izay avy any ivelany no tena mamatsy azy. Tsy mbola manana olana amin’izany aloha isika. Tsy mikatona amin’ireo sambo mpitondra entana rahateo ny sisin-tanintsika. Na izany aza, tsara heverina ny hametrahana vahaolana avy amin’ireo zava-misy eto amintsika, hiadiana amin’ity tsy fanjariantsakafo ity. Araka ny nambaran’Atoa Sokorokana Christian Tiena, mpandrindram-paritry ny fanjariantsakafo faritra Atsimo-Andrefana, ohatra, dia efa nisy ny tetikasa natao tany amin’iny faritra iny, nampiasana ny rononon’osy ampiarahina amin’ny sakafo maro loko. Tamin’izany dia nomena osy vavy 4 sy osy lahy 1 ny fianakaviana nahitana zaza tratran’ny tsy fanjariantsakafo. Nasiana rononon’osy daholo ny sakafo nohanin’izy ireo ary 3 volana taty aoriana dia afaka tao anatin’ny tsifanjariantsakafo ilay zaza. Azo heverina tsara, araka izany, ny hitrandrahana ny vokatry ny tany eto amintsika ary efa misy ihany koa ireo orinasa miezaka manao izany. Nandritra ity fihaonana an-tampony faha-33 ity rahateo dia nanamafy Atoa Andry Rajoelina fa misy ny tetikasa fanamboarana fanampin-tsakafo hotanterahina eto amintsika, hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.