Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjariantsakafo any Atsimo Niampy 30 mianadahy indray ireo dokotera sy paramed


  • Talata 13 Oktobra 2020

Raha miisa 50 ireo ekipa efa nalefan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hiasa sy handray an-tanana ireo olona tratran’ny tsy fanjariantsakafo any amin’ny faritra Atsimo vokatry ny kere 10 andro lasa izay dia nampiana 30 mianadahy vaovao indray izany.

 

Afak’omaly alahady izy ireo no niala teto an-tanindrazana ahitana dokotera 15 sy paramedy 15, handondona isam-baravarana hijery ny fahasalaman’ny mponina. Faritra dimy no fantatra fa hiasan’izy ireo dia ny distrikan’ Ampanihy , Tsihombe, Beloha, Ambovombe ary Amboasary Atsimo. Haharitra 21 andro ny dian’izy ireo any an-toerana, eo ambany fanaraha-mason’ireo tale miisa 5. Tonga nitso-drano sy nametrapetraka ny asa hotanterahin’izy 30 mianadahy ireto teny amin’ny HJRA Ampefiloha toerana niaingany moa ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Rakotovao Jean Louis ny faran’ny herinandro teo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT