ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO

Omena fiofanana momba ny voly vary an-tanety ny mponina


  • Zoma 08 Martsa 2024

Diso mihanaka loatra ny tsy fananan’asa eto amintsika.

 

Tsy hanavahana intsony izany na ho an’ireo olona nahavita fianarana na tsia fa saika lasibatra avokoa. Mahazo vahana vokatr’izany ny tsy fahampian-tsakafo. Indray mandeha isan’andro sisa ny tokantrano Malagasy no mba mihinana tsaratsara fa ny ankoatra izay dia sakafo ambany foitra avokoa. Mihabetsaka ireo midonanam-poana eny anivon’ny fiaraha-monina vokatr’izany, antony mampirongatra ny fifohana zava-mahadomelina sy ny tsy fandriampahalemana. Mba hahafahana miady amin’izany indrindra ary dia fantatra fa hikarakara fiofanana maimaim-poana ho an’ny rehetra indray ny Solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Atsimondrano sy ny Work Program Madagascar. Rahampitso Sabotsy 09 Martsa no hanatanterahana izany eny amin’ny By pass akaikin’ny Espace Fenitra, manomboka amin’ny 08 ora sy sasany maraina. Taorian’ilay fiompiana akoho gasy sy ny trondro dia hiditra amin’ny fampiofanana momba ny voly vary an-tanety sy ny fanamboarana zezika compost indray izy ireo. Ny teknisiana manokana Razafimandimby Narivelo no hanome ny fiofanana mandritra izany, izay marihina fa maimaim-poana. Tanjon’ny mpikarakara ny hahafahana miady amin’ny fahantrana miainga eny ifotony araka ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe Tanora miasa firenena mandroso. Toraka izany koa ny tsy fanjarian-tsakafo izay mahazo ny ankamaroan’ny Malagasy.

 

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT