Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Olona 264 000 mahazo tan-tsoroka


  • Alarobia 20 Martsa 2019

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fampiratiana hoenti-mampahafantatra ny tetikasa « Asotry », miompana ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo tohanan’ny fanjakana Amerikanina.

 Nisolo tena ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, izay nampiantrano ny hetsika Atoa Olivier Randrianarisoa, lefitry voalohan’ny ben’ny tanàna. “Fiainan’olona maherin’ny 264 000 avy amin’ireo faritra ambanivohitra saro-diavina eto Madagasikara no novain’ny tetikasa Asotry, izay manao tan-tsoroka ho an’ireo fiaraha-monina ifotony hanampiany ny tenany amin’ny sehatry ny fanjarian-tsakafo, sy fahasalamana ary fampandrosoana maharitra”, hoy ny Ambasadaoro Michael Pelletier nandritra ny fitokanana ny Vitrine Asotry, nandritra ny kabariny tao amin’ny Lapan’ny tanàna. Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana no misitraka azy io amin’izao fotoana izao, ary hitarina amina faritra hafa. Ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka Dr Andrianirinarison dia niarahaba ny fanomezana fahaiza-manao ireo olona mba tsy hiankina amin’ny hafa intsony ary koa ny fampandraisana anjara ireo lehilahy amin’ity tetikasa fanohanana ny fampanjariana ara-tsakafo ity. Misy ny fampiratiana mahakasika ny tetikasa “Asotry”, izay nanomboka omaly, ary mbola mitohy anio ao anatin’ny programa maro samihafa.

Toky R                             

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT