ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO

Nanolotra vary 2.422 taonina ny governemanta Japoney


  • Talata 14 Janoary 2025

Vary mitentim-bidy 300 tapitrisa Yen any ho any izay hampiasaina amin'ny fanohanana ny tsena misy

eto an-toerana amin'ny alàlan'ny rafitra voarindra, ny fananganana tahirim-bola manokana ho enti-manohana tetikasa fampandrosoana an'i Madagasikara ary ny fampiakarana ny fari-piainan'ny Malagasy no natolotry ny governemanta Japoney ho an'i Madagasikara. Omaly Alatsinainy 13 Janoary no natao tamim-pomba ofisialy izany, tafiditra anatin'ny Fonds de Contre Valeur (FCV), raha ny nambaran'ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ny fitondram-panjakana Japoney no manome ny vary araka izany ary ny Governemanta malagasy no mijery ny mpandraharaha malagasy vonona hivarotra izany eto an-toerana, amin'ny alalan'ny "Appel à Manifestation d'intérêt". Raha ny fantatra moa dia entina hanatanterahana tetikasa fampandrosoana an'i Madagasikara izay faritan'ny Governemanta roa tonta, ny vola azo amin'izany raha vao voahangona 100%. Fanontaniana mipetraka dia ny hoe : mety hampidina ny vidim-bary hatrany amin’ny 750 Ar ny iray kapoaka ve ny fahatongavan’io fotsim-bary milanja 2.422 taonina eto amintsika io ? Ny hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo rahateo no tanjona. Izany mantsy amin’ny ankapobeny no tena mahamaika ny vahoaka.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ireo vary !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT