Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Nanolotra 500.000 dolara ny USAID


  • Alakamisy 14 Novambra 2019

Iray amin’ny roa ireo ankizy latsaky ny dimy taona eto amintsika no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo.

 

 

 

 

 

Anisan’ny tena mitondra takaitra mafy amin’izany ireo ankizy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy vokatry ny tsy fahaizan’ireo reny mampiasa ny sakafo maro loko, ny fanaovana tandrevaka ny sakafon’ny zaza ao anatin’ny 1.000 andro voalohany iainany raha eo ihany koa ny tsy fahampian’ny sakafo hanina. Miaina ity farany tanteraka ny any amin’ny faritra atsimo amin’izao. Miditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra mantsy izy ireo ka mihakely ny sakafo azo hanina.  Manoloana io tranga io dia tsy nitazam-potsiny ny governemanta Amerikanina amin’ny alalan’ny sampandraharaha Amerikanina misahana ny fampandroana maneran-tany na ny USAID. Nanolotra vola mitentina 500.000 dolara tamin’ny alalan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny sakafo na ny PAM izy ireo hikarakarana ireo zaza madinika latsaky ny dimy taona miisa 15.550 tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo. Distrika miisa valo no voakasika ka navadika avy hatrany nividianana ilay famenon-tsakafo RUSF ny vola izay milanja 140 taonina. Raha tsiahivina kely dia famenon-tsakafo misy otrikaina mahavelona ny RUSF, ahitana vitamina sy mineraly. Omaly no nanoloran’ny USAID izany tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny ONN Anosy notarihin’ny ambasadaoro Amerikanina  Atoa Michael Pelletier.

Pati

Legende : Omaly nandritra ny fanolorana ny famenon-tsakafo tetsy Anosy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT