Sosialy

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Izaràna pilifera ny mpianatry ny EPP


  • Talata 09 Jolay 2019

Tanjon’ny drafitrasa nasionaly ho an’ny fanjarian-tsakafo andiany fahatelo (PNAN 3) ny hampihena ho 38% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto amintsika, hatramin’ny taona 2021.

 

 

Efa nahitana fihenany izy io, satria amin’izao fidirana amin’ny andiany faharoa amin’ny PNAN 3 izao dia 42% ny tahany eto amin’ny firenena, raha toa ka 47,3% teo aloha. Ho an’Antananarivo manokana dia nilatsaka ho 48% izany, raha toa ka 51,1% teo aloha. Ho fanohizana ny fanatrarana ny tanjona dia manatanteraka hetsika fizaràna pilifera (fer) ho an’ny ankizy mpianatra eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra ny fikambanana tsy miankina Action Contre la Faim. Omaly dia ankizy miisa 929 mianatra ao amin’ny EPP 67ha Avaratra no nisitraka izany. Ankizy lahy sy vavy miisa 6.269 amin’ny sekoly fanabeazana fototra miisa 7 eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no kendrena amin’ity hetsika ity. Misy ihany koa ny fizaràna pilifera atao eny anivon’ny fiarahamonina, ho an’ireo ankizy 6 hatramin’ny 13 taona,  mipetraka eny amin’ireo fokontany 15 iasan’ny ACF, dia ireo fokontany manodidina an’Antohomadinika sy Andavamamba iny.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT