Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Izao vao mitady paikady ny tompondaka


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Novotel Ankorondrano ny atrikasa hametrahana ny tanjona

nasionaly amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mandritra ny dimy taona ho avy. Lanona notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, natrehan-dRtoa Afshan Khan, Sekretara Jeneraly Lefitry ny Firenena Mikambana sady Mpandrindra ny hetsika SUN (Scale Up Nutrition), sy Atoa Brieuc Pont iraka manokan’ny Governemanta Frantsay sady tomponandraikitra amin’ny fikarakarana ny fihaonambe N4G kasaina hotanterahina any Parisy amin’ny faran’ny volana marsa 2025. Noraisin’ny Filoham-^pirenena ireto iraka ireto omaly. Araka ny seraseram-panjakana, nifantoka tamin’ny fandinihana ireo laharampahamehan’i Madagasikara ny atrikasa, indrindra amin’ny fanapariahana paikady hahafahana mampihena ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo lavareny amin’ireo zaza latsaky ny 5 taona ho 25% ao anatin’ny dimy taona, raha 40% izany amin’izao fotoana izao. Nolazaina fa manohy ny vina napetrak’i Andry Rajoelina nanomboka tamin’ny 2019, izay nahitana fihenan’ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo avy amin’ny 45% ho 40%, raha ny filazan’ny mpitondra. Nolazaina fa nandray anjara lehibe tamin’izany vokatra izany ny fanatsarana ny sehatra toy ny fahasalamana, fanabeazana, rano fisotro madio, fahadiovana, fanamboaran-dalana, fambolena sy toekarena manga, fiahiana ara-tsôsialy, ary fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Nambaran’ny Praiministra fa tsy hijanona eo amin’ny vokatra azo hatreto ny ezaka fa mbola hotohizana sy hatsaraina lavitra kokoa,… Raha raisina amin’io, miharihary sy ampangain’ny karatra indray ny Fitondrana Rajoelina fa anarana sy amboara azoazo fahatany ilay amboara nomen’ny "Big Win Philanthropy" ho « Tompondakan’ny Fanjarian-tsakafo » ny desambra 2022. Nolazaina tamin’izany fa hita ny ezaka goavana natao tao anatin'ny 3 taona, indrindra ny fanampiana ireo Malagasy mijaly any atsimo. Mampivarahontsana anefa io hoe : mbola ny 40% amin’ny ankizy latsaky ny 5 taona no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, ary io mbola hitadiavana drafitra sy paikady io mba hanalana 15% anatin’ny 5 taona. Mendrika ve ilay amboara sa fanesoana sy famporisihana hisian’ny ezaka misimisy kokoa ? Mbola zavatra hafa mandindona ny fisintahana na fihenan’ny fampiasam-bolan’ireo rafitra misahana sy mitondra tohana mivantana amin’ny maha olona, ny fahasalamana,… toa ny USAID sy ny OMS ka moa manana paikady amin’izany ny Fitondrana Rajoelina ?
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT